|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 raha |
| Sokajin-teny | 2 mpampitohy [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola.
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
4when, if.
[1.2, 1.7] 5as for, since. [1.2] 6when and if. [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7si, quand.
[1.3#498, 1.8] 8lorsque. [1.3#498] |
| Ohatra |
9 raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana.
[2.470]
|
| Mpanahaka | 10 fony, 11 nony, 12 rehefa |
| Kamban-teny rehetra | 13Fikambanana 42 amin' io teny io |
| Teny iditra (2/3) | 14 raha |
| Sokajin-teny | 15 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
16zavatra.
[Tambahoaka, Taisaka, Bezanozano, Sihanaka, Tanala]
[1.78] 17anona. [Tanala] [1.78] 18Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io. 19Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
20for raharaha and zavatra.
[Provincial]
[1.2#488] |
| Fanazavàna teny frantsay |
21chose, comme zavatra.
[Provincial]
[1.3#498] 22substance. [1.13] 23quelque chose, chose, objet. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Kamban-teny rehetra | 24Fikambanana 22 amin' io teny io |
| Ohabolana | 25 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (3/3) | 26 Raha |
| Singan-teny | 27raha |
| Sokajin-teny | 28 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 29 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
30Ratany Samuël |
| Lahatsiratra manontolo |
31 Raha sendra midona ny voalohan' orana, 32 Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ; 33 Raha vorona ompiana no tapa-patorana, 34 Kefa ny mpiompy tsy rototra firy; 35 Raha sendra ka ravan-tadio ny akany, 36 Kanefa tsy taitran' izany ny fody ; 37 Raha zaza tinaiza no re mitomany, 38 Ny reniny anefa tsy mahalala mody ; 39 Raha fo te-hiverina vonon-kifona, 40 Kinanjo mitodika voatsipi-drora; 41 Raha toa fanekena sendra midona, 42 Kanefa voatifitry ny harika mora ; 43 Raha volana maro no niandry fitia, 44 Kanefa tsy misy minitra hifaliana; 45 Raha toa efa tony ny rano maria, 46 Ny lakana anefa tsy manim-podiana; 47 Raha sendra mba taitra ny fo nanantena, 48 Kanefa ny tiana vao maika matory ; 49 Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena, 50 Kanefa voavadiky ny andro mahory; 51 Raha sendra mitsiky maraina ny lisy, 52 Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo 53 Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy 54 Tandindona akory tonga hisolo 55 Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ? 56 Miangatra ve ny lalàn' ny tany ? 57 Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy, 58 Raha ny efa mivadika indray no mivalo, 59 Dia miova ny lahatra sy ny safidy 60 Ka lasa ho tompony ilay natakalo. 61 Raha toa mpisompatra indray no ho marina, 62 Izay no atao hoe : Fitia nangalarina; 63 Raha ny efa tsy tia no tiavina indray, 64 Aleo dia mamoy azy mandrakizay. |
| Fivaditsoratra | 65 hara, 66 raha, Raha |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03 |
|