|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 trandraka |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Fiasana tany amin' ny angady, fihadiana tany.
4Fikarohana amin' ny alalan' ny famotopotorana.. [1.1] |
| Sampanteny |
|
| Teny iditra (2/2) | 16 trandraka |
| Sokajin-teny | 17 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
18Biby antonontoniny ohatra ny voalavo, lavalava mitsokotsoko ny vavany ary mahery tahaka ny tsilo ny volony (toy izao ny fomba fiainan' ny trandraka: milevina indray mandeha isan-taona ao anaty lavany izy ka tapitra orana no misitrika izy ary tsy mivoaka raha tsy efa midon-tokana indray; kankana trongisiny amin' ny vavany no haniny).
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
19tail-less tenrec (Tenrec ecaudatus).
[5.en.https://www.tenrec.org] |
| Fanazavàna teny frantsay |
20tenrec commun (Tenrec ecaudatus).
[4.22, 5.fr.https://www.tenrec.org] 21grand tenrec, tangue. [5.fr.https://www.tenrec.org] 22hérisson. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
23 Raha tsy mahazo toky tsy an-dava-bato ny trandraka.
[2.245#57]
24 "Dia anao ny tany fangalan' akanga, fangalan' tsipoy fangalan' orana, fangalan' trandraka, " hoy Andriainasinavalona. [2.48] |
| Voambolana | 25 Haibiby: mampinono |
| Tsipelina hafa | 26tandraka |
| Tovy hevitra | 27kelora |
| Kamban-teny rehetra | 28Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Anarana ara-tsiansa |
|
| Ohabolana | 29 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|