|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 tany
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly.
4Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka.
5Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina.
6Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana.
7Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo.
8Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9earth, soil, land; a country, a nation. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10terre, sol; pays, nation. [1.8]
11terre, sol, terrain. [1.13]
Voambolana  12 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  13 tanimanga, 14 tanimangampoza, 15 taniravo
Kamban-teny rehetra  16Fikambanana 281 amin' io teny io
Ohabolana  17 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)18 tany
Singan-teny  19t~, 20any
Sokajin-teny  21 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  22Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina. [1.1]
Ohatra  23 na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Kamban-teny rehetra  24tany an-tendrony

Teny iditra (3/4)25 tany
Sokajin-teny  26 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  27Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho. [1.1]

Teny iditra (4/4)28 tany
Sokajin-teny  29 anarana
Fanazavàna teny malagasy  [tañy] 30tomany, fitomany, fitomaniana. [Bara] [1.78]
[tañy] 31ranomaso, tomany. [Sihanaka] [1.78]
[tañy] 32tany, fitomaniana. [Tanala] [1.78]
33ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  34les larmes, les pleurs, les gémissements.
35regret. [1.3]
[tañy] 36pleur. [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Tovy hevitra  39tañe
Ohabolana  40 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  41 anty, 42 ntia, 43 tany

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02