|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 tafika
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Fitambaran' ny miaramila enti-miady, miaramila amim-piadiana: Nandroso hamely ny fahavalo ny tafika.
4Fitambaran' ny miaramila mampiasa fiadiana sy fomba fiady iray: Ny tafika an-tanety, ny tafika an-dranomasina.
5Fitambaran' ny miaramila eo ambany fanevam-pirenena, foloalindahy: Izy no jeneraly mifehy ny tafika.
6Enti-milaza fahamaroan' isa, fahabetsahana: Betsaka ve ny olona niakatra tatỳ an-tanàna nijery fety? Tafika iray manontolo ka ianao angaha maninona!. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7a war party; an army. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8expédition guerrière; armée. [1.8]
Ohatra  9 Tonga ny tafika, hoy ny baikon' ilay lehibeny tao an-tanàna! [2.324]
10 Tonga tokoa ny tariky ny tafika angilisy. [2.472]
Haiendriteny 
11 Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Tambinteny :
Voambolana  19 Miaramila
Kamban-teny rehetra  20Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  21 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)22 Tafika
Sokajin-teny  23 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Ohatra  24 ary i tafika teo Ambohijanaka [2.48]
Voambolana  25 Finoana
Tsanganana sy sary iray takila  26 Ny sampy taloha

Fivaditsoratra  27 fatika, 28 fitaka, 29 Tafika, tafika, 30 tifaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03