|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 sempotra |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Tsy afa-miaina noho ny hafanana be loatra: Sempotry ny hafanana aho izany.
4Tsy avy miaina noho ny tsy fisian' ny rivotra na ny fibosesiky ny rivotra be loatra, misanehaka noho ny hazakazaka: Nihazakazaka aho ka sempotra ~ Rehefa mandeha ny aotomobilina ka mivoha ny varavarana, mila ho sempotra ny zazakely ~ Sokafy aho fa sempotra. 5Be raharaha na ahiahy na alahelo ka toa tsy afa-miaina noho ny fahasahiranana: Sempotry ny volan' olona Rakoto ~ Mbola sempotry ny fanadinana aho ka tsy afa-manoratra. [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6Essoufflé, haletant, étouffé, suffoqué: Nihazakazaka aho ka sempotra (J'ai couru et je suis tout essoufflé) ~ Sempotry ny hafanana aho (Je suis étouffé par la chaleur).
7Figuré: accablé d'embarras, de tristesse, vivement impressioné: Sempotry ny volan' olona aho (Je suis dans le plus grand embarras à cause de mes dettes) ~ Sempotry ny alahelo izy (Il est accablé de tristesse). [1.3] |
| Ohatra |
8 sempotra dia sempotra izy, toa nenjehin'inona.
[2.324]
9 Nitombo be ny kohaka sy ny hafanan' I Solo iny alina iny, sempotra be ny fiainany. [2.472] |
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 32 ana, 33 anyambolontsofinanyaina, 34 mihehaka, 35 mikoika, 36 misanehaka, 37 misefosefo, 38 misohika, 39 mitranganylela, 40 tsyavymiaina |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/31 |
|