|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 manjombonjombona
Fototeny  2jombonjombona
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4être obscure. [1.3#299]
Ohatra  5 manjombonjombona ny hevitrao ka hazavao (Votre pensée est obscure, éclaircissez-la) [1.3#299]
6 manjombonjombona ny Tany, Toa malahelo, toa tomany; [1.255]
7 Tapaka teo ny resaka, ny andro manaraka, andro manjombonjombona, tsy nisy resaka firy. [2.499#81]
Haiendriteny 
8 Ny ankehitriny :
9 Ny lasa :
10 Ny hoavy :

Teny iditra (2/2)11 Manjombonjombona
Singan-teny  12manjombonjombona
Sokajin-teny  13 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  14 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  15Rafanoharana
Lahatsiratra manontolo  16 Manjombonjombona ny Tany...
17 Toa malahelo, toa tomany...
18 Ny ravinkazo efa maina
19 Voatsokan-drivotra maraina,
20 Indreo mihintsana dia lasa;
21 Ho aiza, hono, moa?… Asa!

22 Ny taho sisa, tsy mitafy
23 Midridridridry - voa mafy,
24 Miolanolana…. ! indrisy!
25 Mitady vonjy fa tsy misy!
26 Indreo ny sasany hampiasaina
27 Nazerazera, nokapaina.
28 Miboba ra, miala aina;
29 Malazo ireny; eny, maina!

30 Tanety maro, lohasaha,
31 Izao tsy manana mpizaha;
32 Marary ve?… mangavo-bolo
33 Toa tahom-bary bobongolo!

34 Tsy misy aina hita eny,
35 Ny lolo aza tsy mankeny;
36 Ny omby, ondry, tena noana;
37 Ho aiza anefa?… Mandry foana!

38 Anaty saha, an-jaridaina,
39 Ny voronkely very saina:
40 Tsy misy ravina ierena
41 Ka velon-tsento mahonena...
42 Ny lalana aza zary sina,
43 Ny tabatabany mangina;
44 Ny lanitra avy mitaraina...
45 Toa lasan-davitra ny aina.

46 Manjombonjombona ny Tany,
47 Toa malahelo, toa tomany;
48 Izay rehetra taza-maso
49 Dia nosomparan'ny ankaso.
50 " Nankaiza kosa ny masoandro,
51 Ilay mpanjakanao, ry andro?
52 Ny hanazava ve tsy tiany,
53 Sa semban-drahona ny diany" ?

54 Manjombonjombona ny Tany,
55 Toa malahelo, toa tomany...
56 Voahetsiketsiny ny Foko
57 Ka velon-tsento, mitoloko;
58 Ny ranomasoko dia tojo
59 Ny ranon'erika mijojo,
60 Fa ondry kely manim-bala
61 Mba te-hahita'reo malala.
62 Ho aiza anefa?… Hany hery
63 Manoso-menaka ny fery,
64 Dia fery velona tsy maty,
65 Manongotsongo ao anaty...
66 Manjombonjombona ny Tany,
67 Ny foko koa mba toy izany…

68 Ry fiononana antenaina,
69 Avia herezo koa ny saina!
70 Ry Ray mpandahatra ny eto,
71 Toneo ny foko tsy hisento!

Fivaditsoratra  72 manjombonjombona, Manjombonjombona

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03