|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mandrava
Fototeny  2rava
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Manimba, mandevona, manongotra: Nandrava ny tanànan' i Toamasina ilay rivo-doza tamin' ny 3 marsa 1927.
5hevitra an' ohatra: Ny ahiahy mazàna mandrava fihavanana.
6Mamaha, manasaratsaraka: Mandrava fiarakodia.
7Mandefa, manaparitaka, mampihahaka: Ny orana no nandrava ny mpivory.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8to ruin, to destroy; to tear down; to dismiss a meeting. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9ruiner, démolir; lever une séance, une réunion. [1.8]
Ohatra  10 Fa izay mamorona tsy maintsy mandrava. [2.5#]
11 Ary rahefa vita ny vaky volo dia mandrava trano izay atao lapa hamorana. [2.48]
Haiendriteny 
12 Ny ankehitriny :
13 Ny lasa :
14 Ny hoavy :
15 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  16Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  17 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)18 mandravà
Fototeny  19rava
Sokajin-teny  20 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrava [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  21 mandrava, mandravà

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03