|
|
|
|

Teny iditra1 mandidy
Fototeny  2didy
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4mikapa, mitetika. [Sihanaka] [1.78]
5mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena.
6Manapaka lamba amin' ny hety mba hanaovana akanjo: Iza no nandidy ny akanjonao?.
7Mandrasa nofo na manapaka taova amin' ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao?.
8Mampanao: Mandidy zava-tsarotra loatra ianao, tompoko.
9Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin' ny faritany?.
10Mizaka, tompom-pahefana amin' ny fananana: Mandidy ny fananako aho.
11Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona. [1.1]
12manaraka soritra miolika. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  13to cut, to command, to order. [1.2]
14to cut.
15to command. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16couper.
17commander. [1.3#101, 1.8]
18tailler, découper, faire une incision, percer avec le bistouri: Nandidy ny masony ny dokotera (Le médecin a fait une incision à son oeil) ~ Nandidy ny vay ny dokotera (Le médecin a percé l’abcès avec le bistouri). [1.3#101]
19chantourner. [1.13]
Ohatra  20 Tsy izaho ve no mandidy sy manapaka eto? [2.528#]
Haiendriteny 
21 Ny ankehitriny :
22 Ny lasa :
23 Ny hoavy :
24 Filaza mandidy :
Voambolana  25 Haitao
Kamban-teny rehetra  26Fikambanana 14 amin' io teny io
Ohabolana  27 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02