|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 malalaka |
| Fototeny | 2lalaka |
| Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Lehibe ny sakany sy ny lavany: Malalaka ny lakozianareo izany.
5Enti-milaza ny akanjo lehibe loatra ho an' ny tena ka toa difotra ao anatiny ny tena: Malalaka loatra iny kapaotinao iny izany. 6Be sakana, na be velarana, migodana: Malalaka ny arabe eto Antananarivo. 7Misy elanelany makadiry: Malalaka loatra ny andalan-tsoratrao. 8Lava, betsaka: Malalaka ny fotoana hamitako itỳ sary itỳ. [1.1#563] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9spacious, roomy.
[1.2, 1.7] 10wide. [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11spacieux, vaste, ample.
[1.3#375, 1.8] 12grand, large, espacé. [1.3] |
| Ohatra |
13 malalaka ny tokotany niraisana
[2.356#7]
14 malalaka ny efi-trano (La chambre est spacieuse) [1.3#375] 15 nalalaka tokoa ny fotoana nilalaovanay [2.445#86] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 20 lobaloba, 21 milobaloba |
| Kamban-teny rehetra | 22Fikambanana 3 amin' io teny io |
| Ohabolana | 23 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 24 malalaka |
| Fototeny | 25lalaka |
| Sokajin-teny | 26 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
27Manam-potoana tsara, tsy misy mahamaimaika: Malalaka aho izao handray azy fa asaivo miditra izy.
28Tsy teritery: Olona malala-tsaina Rabe. 29Ananana fahafahana tsy voageja: Malalaka ny fifidianana ka fidio izay tianao na ny eny na ny tsia. [1.1#563] |
| Fanazavàna teny anglisy |
30liberal.
[1.2] 31without constraint. [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
32sans contrainte.
[1.3#375, 1.8] 33libre, qui donne amplement la liberté, la faculté, la permission. [1.3] |
| Ohatra |
34 malalaka indrindra ny didinao
[2.996]
35 halalaka ny varotra sy harovana tsara ny fananan' ny Anglisy [2.366#58] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 39Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|