|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 lahy
Sokajin-teny  2 anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy.
4Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy.
52) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy.
63) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka.
7Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8a male, a man; a husband.
9masculine. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10mâle; homme; mari.
11mâle, masculin. [1.8]
12mâle. [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  13 Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470#102]
14 lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any [2.470]
15 Dekona lahy sy vavy Analakely. [2.59#284]
16 ombi-lahy mitrena an-tseranana [2.245#53]
Haiendriteny 
17 Tsotra :
18 Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Tohi-kevitra  28vavy
Kamban-teny rehetra  29Fikambanana 321 amin' io teny io
Ohabolana  30 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)31 lahy
Sokajin-teny  32 tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  33Tenim-piontanana enti-milaza:
1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  34used in phrases like: asa lahy!, tsara lahy!, maty lahy!. [1.2]
Kamban-teny rehetra  35Fikambanana 3 amin' io teny io

Fivaditsoratra  36 haly, 37 hila, 38 lahy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02