|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 kolontsaina |
| Singan-teny | 2kolo, 3saina |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5fitambaran'ireo fomba sy filamatra entina hanabeazana ka zary fomba fisainana raikitra.
[1.13] 6fitambaran' ny fomba amam-panao vokatry ny fandinihana sy fisainana ka iraisana sy ifampitaizana ary ifandovana ao amin' ny fiarahamonina: Azo amaritana fiarahamonina iray ny kolontsaina miaina sy iainany. 7fitambaran' ny fahaizana amam-pahalalana vokatry ny fikatsaham-pivoarana sy fandrosoana. [1.62#625] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8culture.
[1.13] |
| Ohatra |
9 Dia izay no nisarahan' ireto kolontsaina roa ireto.
[2.445#85]
10 ny fandaminana na ny fampandehanana ny sehatrasa samihafa misahana lalàna, toekarena, sosialy ary kolontsaina; [1.320] 11 Vokatry ny fisedrana amin' ny raharaham-pifidianana sy kolontsaina amin' ny rafitra demokratika izay manaiky ny faharesena sy miarahaba ny mpandresy izany. [4.27] 12 Tantaraina ny angano, hoy ny mpanoratra, fa sady vakoka io no kolontsaina, sady fanabeazana mampitia vaky-boky izay tsy ferana ho bokin'angano fotsiny tsy akory. [2.528] |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11 |
|