|
|
|
|

Teny iditra1 Ilay fasan-tsakaiza tiana
Singan-teny  2ilay, 3fasana, 4sakaiza, 5tiana
Sokajin-teny  6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8Ny Avana
Lahatsiratra manontolo  9 Hodidinin'alam-bero,
10 tsy an-tanin-tena akory;
11 ry mpandalo ! itsero
12 'ty zatovo mampahory!

13 Solon-dray mba manoloana,
14 solon-dreny mahazatra:
15 rafi-bato mikitoana ,
16 tany mena ambony tratra,

17 ranon'ando mangatsiaka,
18 danik'andro mahamay,
19 rivodrivo-mitsoriaka,
20 ary lolo miolomay !

21 Nefa kosa italanjony,
22 ry mpandalo, igagao:
23 ny anjely any ambony
24 tonga koa mitsidika ao!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13