|
|
|
|

Teny iditra1 hozatra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3(Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny.
4Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets.
5Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra (holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra (helatra ) fa tsy mankelatra), ets. [1.10#H.314]
6Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby:.
71) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela.
82) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho).
93) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy..
104) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  11comme ozatra. [1.3#274]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  17 Haiaina
Tsipelina hafa  18ozatra
Kamban-teny rehetra  19Fikambanana 12 amin' io teny io
Ohabolana  20 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02