|
|
|
|

Teny iditra1 Hofa sandrin' ny lanitra
Singan-teny  2hofa, 3sandry, 4lanitra
Sokajin-teny  5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  6 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  7Rajaofera Fredy
Lahatsiratra manontolo  8 Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo,
9 Avereno fa indrana, lamba mora miofo.
10 Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa,
11 Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!

12 Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka,
13 Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka .
14 Aty no azo antoka, tsy misy rebireby,
15 Avia modia, ry oloko, aza mba someby !

16 Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana,
17 Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana,
18 Aty no tsy mba miova, aty no volamena,
19 Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!

20 Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina,
21 Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina;
22 Aty no fitoazana ..., fararano lava,
23 Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .

24 Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy;
25 Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy.
26 Avelao ny havana voa lefona maranitra,
27 Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !

28 Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso,
29 Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso,
30 Ho inonao ny tany, mpamingana mandady,
31 Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!

32 Faharesena an-tany no lalan-tora-tady
33 Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady ,
34 An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy:
35 Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13