|
|
|
|

Teny iditra1 Haody, ry Ambohimanga!
Singan-teny  2haody, 3ry, 4vohitra, 5manga
Sokajin-teny  6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8Rajaofera Fredy
Lahatsiratra manontolo  9 Haody, haody?
10 Haody mena masoandro, ry aviavy an-tampon' Imanga,
11 Tsinjovina maitso manga,
12 tomarotaroka mavamavana,
13 mampihaodihaody ny manin-kavana!

14 Haody, haody?
15 Haody manerikerika, ray voara mifampiondanondana,
16 natrotra-taona ka mila hirodana,
17 mamolivoly raha toa tazanina
18 mampihazakazaka mahamanina!

19 Haody, haody?
20 Haody manoran-kely, ray amontana miezinezina,
21 mampievinevina tsy akaikezina,
22 manorotoro ny manirery,
23 ka mampirongatra serisery!

24 Haody, haody?
25 Haody malomaloka, ray papango mifampisodika?

26 Haody mampanjombonjombona, ray goaika mifampitodika?
27 Itony izahay anie raha mihaody,
28 dia mihaody tsy kaodikaody;
29 tsy vahiny tsy nampoizina anie, ry lahy,
30 na mpandalo tsy nahinahy,
31 fa nasosan-drivotra avy any Ankaratra
32 ka niantoraka nianavaratra;
33 nokaikerin'ny sento fihitra
34 ka nanamorona ity kirihitra;
35 nasafotr'eritra tsy miloaka
36 ka entin'embona misafoaka,
37 dia indreto tonga
38 nihoatra bonga,
39 hilalao masoandro eto Ambatomiantendro
40 hanaraina ny fendrofendro !

41 Koa haody, haody?
42 Haody tolatolaka, ry vavahady mitafy vato,
43 manai-torimason'ny vetso kanto,
44 aza vitaina harangarana
45 fa vohay varavarana.
46 Indreto izahay
47 izay miolomay ,
48 hioty voafotsy eny an-dobolobo,
49 haka aviavy miroborobo,
50 hiloka tosika am-batolampy ,
51 fa raha tsy mirebika sao tsy ampy;
52 manonofy andro mifono
53 ka mivantotr'omby minono,
54 ditsohin-kariva mandrivodrivotra
55 ka tonga zary mihovotrovotra
56 mohamohaka manimanina,
57 safotsafotra fanimpanina!

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11