|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 fiainana
Fototeny  2aina
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4Fakana aina, fakana fofon' aina: Miadana erỳ ny fiainan' itỳ marary itỳ izany.
5Fe-potoana eo anelanelan' ny ahaterahana sy ny ahafatesana: Nanao ny tsara mandrakariva io olona io nandritra ny fiainany.
6Fifaliana na fanaranana amin' ny hanina sy ny fisotro: Manao fiainana marina ry zareo ato avaratra fa mamono akoho mifahy isan' andro.
7Fitondran-tena: Aoka hanana toe-piainana madio sy tsara mandrakariva ianareo. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8life; the act of breathing. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9Vie: Lava fiainana izy (Il vit longtemps) ~ Ny fiainana mandra-kizay (La vie éternelle).
10respiration, canal respiratoire, soupirail. [1.3#10]
11la vie; action de respirer. [1.8]
Ohatra  12 Kanjo inona no navoakanao, ry fiainana? [2.296#]
13 Tsy izao anaovan' ialahy fiainana izao? [2.470#]
Haiendriteny 
14 Tsotra :
15 Tovonana :
Voambolana  16 Haiaina 17 Fahasalamana
Kamban-teny rehetra  18Fikambanana 9 amin' io teny io
Ohabolana  19 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  20Randzavola: fiainana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)21 Fiainana
Singan-teny  22fiainana
Sokajin-teny  23 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Mpanoratra  24Andriamampianina Zo
Mpanonta printy  Takila: 6.

Fivaditsoratra  26 Fiainana, fiainana, 27 fianiana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02