|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 boiboika
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3aretina tsy fantatry ny natolo mazava.
4Araka ny diksionera Richardson sy Malzac dia aretina miseho amin' ny hoditra izay manjary vay ratsy sy fery mihady izy io.
5Angamba vay madinidinika mipoipoitra amin' ny hoditra, toy ny miboiboika avy ao anaty, no fiandohany, ka nahazoany ny anarany.
6-- Ny fitsaboana azy tamin' ny ntaolo dia voatana ao amin' ny Tantaran' Andriana (P.
7Callet, Boky I, takila 116) ; nefa fantatra fa tsy mahaleo ny fitsaboana ankehitriny ireny.
8-- Na izany aza, azo ambara fa ny ravi-mangahazo, velarina maro sosona mandrakotra ny fery, solosoloana matetika dia manintona ny nana sy ny ra maloto ao amin' ny vay, ary aorian' izany mampisondrotra faingana ny nofo ao amin' ny fery; azo atao na aiza na aiza io, fa zavatra mora hita.
9-- Tokony hodinihina ny fivalan-dranon' ny marary sao misy siramamy (fisehoan' aretin-tsiramamy) mantsy ireny vaivay ireny matetika, ary mety ho ela sitranina raha tsy voatsabo koa ity aretina ity.
10Izany, mbamin' ny fandinihana ny toetry ny fery sy ny toe-tena no ilana hanatonana doktera, na mety hahavonjy maika aza ny ravi-mangahazo.. [1.10#B292]
11Vay, fery maharitra ary manitatra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12a foul protuberant ulcer.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  13ulcère. [1.3#85, 1.54]
14abcès, tumeur scrofuleuse. [1.3#85]
Ohatra  15 izao kosa no karazan' aretina boiboika. [2.48]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Voambolana  18 Fahasalamana
Mpanahaka  19 dridra

Teny iditra (2/2)20 boiboika
Fototeny  21boika
Sokajin-teny  22 anarana
Fanazavàna teny malagasy  23fipoitra sy fivoaka mitsitapitapy, nefa tsy an-kijanona, toy ny rano avy amin' ny loharano na ny vava-tavohangy, ets.. [1.10#B293]
24Fivoahan' ny rano na ny ra mivoaka tsy an-kijanona avy ao anatin' ny tany na ny tena, fifantsitsirana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25the bubbling or gurgling, as water in a spring.. [1.2]
26a bubbling up; a gurgling sound. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27[duplicatif fréquentatif]. [1.3#85]
28action de jaillir; bruit du jaillissement. [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Tovy hevitra  35boika, taboika

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/19