|
|
|
|

Teny iditra1 antafana
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3hazo be ravina, lavalava mitarehin' atody ny raviny.
4Tsy mba mijoro miakatra ny fandehan' ny sampany sy ny raviny, fa mandry manondro ny faravodilanitra.
5Misandrahaka ny ravina eo an-tendrony.
6Sarotra amin' ny zava-maniry hafa ny haniry eo akaikin' ny fotony.
7Any amorontsiraka no misy azy.
8Tena mpiaro ny tranon' ny olona amin' ny rivo-mahery any an-dranomasina izy.
9Maroroka sady mihamaro vetivety foana izy.
10Misandrahaka koa ny fakany, ka ambolena amin' ny tany mora mikoa mba hihazona ny tany.
11Malemy sady maivana ary mitsikerakera ny hazony, ka tsy azo anaovan-taozavatra.
12Manendrika ny araben ny tanàna io zava-maniry io raha ambolena milahatra amin' ny sisiny roa.. [1.10#A322]
Fanazavàna teny frantsay  13(de tafa : causerie, conversation ; cet arbre donne une ombre agréable et l'on vient s'y asseoir pour converser ; il est généralement planté sur les avenues au bord de la mer).
14Nom malgache du badamier, Terminalia catappa L.
15(Combretaceae).
16Son fruit autrefois commercialisé sous le nom de "myrobalan" était inscrit aux vieilles pharmacopées.
17Il est astringent et légèrement antibiotique et sa décoction s'administre dans les diarrhées communes.
18L'amande est comestible.
19Le nom français "badamier" est tiré de l'hindi badami.. [Betsimisaraka] [1.196]
Voambolana  20 Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Tsipelina hafa  21antafa, atafa, atafana, hatafa, hatafana
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12