|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 angatra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Tsy fanaovana araka ny rariny fa manome tombony na hitsiny ny hafa tsy tokony homena, na tsy manome izay tokony homena; fizarana tsy marina; fitanilana ka misy tombo sy hala, misy omena be misy omena kely.
4(Tsy fampiasa amin' izao fa miaraka amin' ny tsy mandrakariva: Tsy angatra fa mahay kosa aloha ny zana-dRasoa e!). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5partiality. [1.2, 1.7]
6unfair dealing, unfair judgement.
7also false praise, flattery.. [1.2]
8unfairness. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9partialité, préférences. [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (2/4)16 angatra
Sokajin-teny  17 anarana
Fanazavàna teny malagasy  18lolo, avelo, fanahy. [Betsimisaraka] [1.78]
19matoatoa na lolo. [Tanala] [1.78]
20Fisehoan' ny fanahin' ny olona maty -- na biby koa aza -- izay mihelohelo manodidina ny velona ary mety ho hitan' ny velona mihitsy aza, indrindra amin' ny tarehin' ny afo. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  21spirit, ghost, demon.. [1.2]
22a ghost. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  23ambiroa. [Merina] [2.165]
24fantôme. [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Voambolana  27 Finoana
Mpanahaka  28 lolo, 29 matoatoa
Kamban-teny rehetra  30Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  31 Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  32 Soratra misy io teny io

Teny iditra (3/4)33 angatra
Sokajin-teny  34 anarana
Fanazavàna teny malagasy  35Aretin' ny fantson' ny lalandrano amin' ny tenan' ny olombelona, izay vokatry ny mikraoba iray azo avy amin' ny fahalotoam-pitondran-tena. [1.1]
36karazan'aretina mifindra avy amin'ny firaisan'ny lahy sy ny vavy. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  37gonorrhea, dyschuria; occasional pain in micturation.. [1.2]
38gonorrhea. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  39blennorragie. [1.8, 1.54, 1.13]
Voambolana  40 Fahasalamana
Mpanahaka  41 akohofotsy, 42 ambaniana, 43 famehy, 44 farasisa, 45 fiandry, 46 fifia, 47 vania
Kamban-teny rehetra  48Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (4/4)49 angatra
Sokajin-teny  50 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  51maivana. [Taimoro] [1.78]
Tovy hevitra  52miangatra

Fivaditsoratra  53 angatra, 54 atranga

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02