|
|
|
|

Teny iditra1 angamba
Sokajin-teny  2 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Mpamaritra matoanteny enti-milaza fisalasalana, izany hoe tsy fahafantarana marina izay hitranga na izay mitranga any lavitra tsy atrehi-maso: Manavy angamba izay i dada ~ Ho tratrako ihany angamba ny voalohany ~ Ho vitanao ve itỳ asa itỳ rahampitso? Angamba. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4see angaha. [1.2]
Ohatra  5 Ary angamba talohan'izay nahitanao azy no nahitako azy. [2.324]
6 Zanakao daholo angamba ireto, raha tsy diso aho, Ramatoa? [2.470]
7 angamba aza, amin' izay fotoana izay, izaho no olombelona ho halanao indrindra... [2.471]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/19