| Fanazavàna teny malagasy |
3masoandro, orana: Avy ñy andro.
[Bara]
[1.78]
4Fotoana manelanelana ny misasak' alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay.
5Ny fotoana anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin' ny folo (mifanohitra amin' ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava.
6Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran' ny andro ianao eo.
7Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: Amin' izao andron' ny baomba atomika izao ~ Efa nanomboka ny fandrosoana tamin' ny andron-dRadama rainy.
8Ny fiainan' ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron' ny zanak' olombelona, hoy ny Soratra Masina.
9Vintana: Ratsy andro, hono, itỳ zaza itỳ, araka ny filazan' ny mpanandro.
10Toetran' ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra ~ Mangatsiaka ny andro amin' ny ririnina.
11Fotoana: Vary andro foana eto aho.
[1.1]
|