|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 tany |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly.
4Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka. 5Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina. 6Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana. 7Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo. 8Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9earth, soil, land; a country, a nation.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10terre, sol; pays, nation.
[1.8] 11terre, sol, terrain. [1.13] |
| Voambolana | 12 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny) |
| Mpanahaka | 13 tanimanga, 14 tanimangampoza, 15 taniravo |
| Kamban-teny rehetra | 16Fikambanana 281 amin' io teny io |
| Ohabolana | 17 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/4) | 18 tany |
| Singan-teny | 19t~, 20any |
| Sokajin-teny | 21 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
22Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina.
[1.1] |
| Ohatra |
23 na tany aho na tsy tany tsy ho kely be nenina moa hianao? [2.131] |
| Kamban-teny rehetra | 24tany an-tendrony |
| Teny iditra (3/4) | 25 tany |
| Sokajin-teny | 26 tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
27Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho.
[1.1] |
| Teny iditra (4/4) | 28 tany |
| Sokajin-teny | 29 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
[tañy]
30tomany, fitomany, fitomaniana.
[Bara]
[1.78] [tañy] 31ranomaso, tomany. [Sihanaka] [1.78] [tañy] 32tany, fitomaniana. [Tanala] [1.78] 33ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa. [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
34les larmes, les pleurs, les gémissements.
35regret. [1.3] [tañy] 36pleur. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Sampanteny |
|
| Tovy hevitra | 39tañe |
| Ohabolana | 40 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 41 anty, 42 ntia, 43 tany |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|