|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 raha
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4when, if. [1.2, 1.7]
5as for, since. [1.2]
6when and if. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7si, quand. [1.3#498, 1.8]
8lorsque. [1.3#498]
Ohatra  9 raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana. [2.470]
Mpanahaka  10 fony, 11 nony, 12 rehefa
Kamban-teny rehetra  13Fikambanana 42 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)14 raha
Sokajin-teny  15 anarana
Fanazavàna teny malagasy  16zavatra. [Tambahoaka, Taisaka, Bezanozano, Sihanaka, Tanala] [1.78]
17anona. [Tanala] [1.78]
18Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io.
19Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  20for raharaha and zavatra. [Provincial] [1.2#488]
Fanazavàna teny frantsay  21chose, comme zavatra. [Provincial] [1.3#498]
22substance. [1.13]
23quelque chose, chose, objet. [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Kamban-teny rehetra  24Fikambanana 22 amin' io teny io
Ohabolana  25 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/3)26 Raha
Singan-teny  27raha
Sokajin-teny  28 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  29 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  30Ratany Samuël
Lahatsiratra manontolo  31 Raha sendra midona ny voalohan' orana,
32 Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
33 Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
34 Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;

35 Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
36 Kanefa tsy taitran' izany ny fody ;
37 Raha zaza tinaiza no re mitomany,
38 Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;

39 Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
40 Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
41 Raha toa fanekena sendra midona,
42 Kanefa voatifitry ny harika mora ;

43 Raha volana maro no niandry fitia,
44 Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
45 Raha toa efa tony ny rano maria,
46 Ny lakana anefa tsy manim-podiana;

47 Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
48 Kanefa ny tiana vao maika matory ;
49 Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
50 Kanefa voavadiky ny andro mahory;

51 Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
52 Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
53 Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
54 Tandindona akory tonga hisolo

55 Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ?
56 Miangatra ve ny lalàn' ny tany ?

57 Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
58 Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
59 Dia miova ny lahatra sy ny safidy
60 Ka lasa ho tompony ilay natakalo.

61 Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
62 Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
63 Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
64 Aleo dia mamoy azy mandrakizay.

Fivaditsoratra  65 hara, 66 raha, Raha

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03