|
|
|
|

Teny iditra1 velarina
Fototeny  2velatra
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan' ny olona.
5Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin' ny takila fahatelo amby roapolo.
6Aseho hatao milamina sy milahatra tsara mba hanaitra ny mason' ny olona: Novelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra.
7Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy.
8Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9to be spread out, to be unrolled. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10qu'on déploie, qu'on étend, qu'on ouvre; qu'on découvre, qu'on manifeste, qu'on montre, qu'on explique, qu'on publie: Novelariny tsara ny hevitr' izany teny izany (Il a bien expliqué le sens de ce mot). [1.3]
11qu'on déplie, déroule, étend. [1.8]
Ohatra  12 Dia novelariny ny tsihy, dia hoy Rangahy: [2.293]
13 velariny mitsilany ny tanany havanana amin' izay, dia mitehaka ilay itenenany. [2.472]
Haiendriteny 
14 Ny ankehitriny :
15 Ny lasa :
16 Ny hoavy :
17 Filaza mandidy :
Tovy hevitra  18avelatra
Kamban-teny rehetra  19azo velarina

Fivaditsoratra  20 lavareny, 21 vary lena, 22 velarina

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08