|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 tsaingoka
Sokajin-teny  2 anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3Fanaikerana mitomboka, atao amim-pahakingana dia mihataka, toy ny fanaon' ny vavan' akoho.. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4qui a les doigts lestes, qui enlève, vole lestement; enfant qui frappe les autres des mains sans raison. [1.3#749]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :

Teny iditra (2/3)21 tsaingoka
Sokajin-teny  22 anarana
Fanazavàna teny malagasy  23Anaran' antoko-miaramila mpiambina ny andriamanjaka fahiny, izay nanaraka azy raha nisy dia nalehany. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  24nom d'une compagnie de soldats attachés jadis à la garde royale, accompagnant la reine dans ses promenades et voyages. [1.3#749]
Ohatra  25 Ary tsaingoka fotsy miakanjo sy misatroka 40 lahy nampilefa basy ao avara-drova. [2.48]
Voambolana  26 Miaramila

Teny iditra (3/3)27 tsaingoka
Sokajin-teny  28 anarana
Fanazavàna teny malagasy  29Anaran-javamaniry madinika ampiasain'ny olona ho fanalefahan-kozatra. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  30plante légumineuse et émolliente. [1.3#749]
31Légumineuse employée comme remède contre les furoncles d'après le fichier manuscrit de Grandidier.. [1.196]
Voambolana  32 Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Tsipelina hafa  33tsengoka

Fivaditsoratra  34 tsaingoka, 35 tsingaoka, 36 tsingoaka, 37 tsiongaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/19