|
|
|
|

Teny iditra (1/8)1 tomboka
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Fandentehana angady amin' ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana amin-java-maranitra. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4un coup de pioche donné à la terre. [1.3]
Kamban-teny rehetra  5Fikambanana 12 amin' io teny io

Teny iditra (2/8)6 tomboka
Sokajin-teny  7 anarana
Fanazavàna teny malagasy  8Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadinany endrikendrika, ny tomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9accusations fausses. [1.3]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Tovy hevitra  12tombotomboka
Kamban-teny rehetra  13Fikambanana 4 amin' io teny io

Teny iditra (3/8)14 tomboka
Sokajin-teny  15 anarana
Fanazavàna teny malagasy  16Fametahana kase amin' ny taratasy, fametahana marika amin-javatra: Tombo-kase ~ tombo-kavatsa. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  17apposition du cachet à une pièce officielle. [1.3]
Sampanteny 
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  22Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (4/8)23 tomboka
Sokajin-teny  24 anarana
Fanazavàna teny malagasy  25Vary an-tanety ambolena amin' ny tavy ka jinjaina amin' ny fahavaratra. [Taisaka] [1.1]
Ohatra  26 Ny vary tomboka dia ny vary maniry amin' ny ala notevezina. [2.508#]
Kamban-teny rehetra  27vary tomboka

Teny iditra (5/8)28 tomboka
Sokajin-teny  29 anarana
Fanazavàna teny malagasy  30Fiandohan' asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin' izay atao. [1.1]

Teny iditra (6/8)31 tomboka
Sokajin-teny  32 anarana
Fanazavàna teny malagasy  33Bibikely mamorivory fotsy ao anatin' ny ranon' ando maraina izay heverin' ny olona ho mahatonga vay raha voakasika na voahitsaka: Voan' ny tomboka ny tongotr' Isambito.
34Karazana vay mpahazo ny omby. [1.1]
35karazana aretina mpahazo ny olona sy ny biby ateraky ny basiliosin'arina. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  36charbon. [1.3, 1.13]
37anthrax, bubon très douloureux. [1.3]
38charbon bactéridien. [1.196]
Voambolana  39 Fahasalamana 40 Haibiby: fitsaboina momba ny biby
Mpanahaka  41 fanenitra, 42 tetanosy
Kamban-teny rehetra  43Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (7/8)44 tomboka
Sokajin-teny  45 anarana
Fanazavàna teny malagasy  46loaka, lavaka. [Bezanozano] [1.78]

Teny iditra (8/8)47 tomboka
Sokajin-teny  48 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  49bongo: Trano bongo. [Bezanozano] [1.78]

Fivaditsoratra  50 kombato, 51 tamboko, 52 tokambo, 53 tombako, 54 tomboka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05