|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1 terỳ
Sokajin-teny  2 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Endriky ny mpamaritra erý fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4passé de erý. [1.3]

Teny iditra (2/5)5 terỳ
Sokajin-teny  6 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  7Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy.
8Teo no ho eo, indray mipy maso. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup). [1.3]

Teny iditra (3/5)10 tery
Sokajin-teny  11 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  12Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy.
13Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity.
14Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany.
15Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16pressed; distressed; narrow. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  17serré; étroit; exigu; en détresse. [1.8]
Ohatra  18 ny làlana tery sady ratsy [2.113#]
19 Voageja manodidina aho sady tery [2.643#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Tambinteny :
Kamban-teny rehetra  41Fikambanana 20 amin' io teny io
Ohabolana  42 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (4/5)43 tery
Sokajin-teny  44 anarana
Fanazavàna teny malagasy  45Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany.
46Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono. [1.1]

Teny iditra (5/5)47 tery
Sokajin-teny  48 anarana
Fanazavàna teny malagasy  49zozoro maina fanao trano. [Sihanaka] [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  50(dans le sens de : pressé).
51Cyperus madagascariensis (Willd.) Roem.
52& Schult.
53( (Cyperaceae).
54Nom donné surtout aux exemplaires de grande taille qu'on aplatit pour faire des cloisons.
55D'après Rabe cité par A.
56Grandidier.. [Sihanaka] [1.196]
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  57 etry, 58 rety, 59 tery, terỳ

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02