|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 taona
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan' ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin' ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato.
4Ny taona malagasy (roa ambin' ny folo volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe taona miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa?.
5Marika na isa ilazana ny taona iray izay isaina hatramin' ny vanin' andro lehibe iray eo amin' ny tantara (oh.
6ny mariky ny isan' ny taona ampiasain' ny ankamaroan' ny firenena ankehitriny dia hatramin' ny nahafatesan' i Kristy): Taona 1960 no nahazoan' i Madagasikara ny fahaleovantenany indray. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7the year; a season. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8année. [1.3#681, 1.8, 1.13]
9les saisons de l'année. [1.3#681]
10saison. [1.8]
Ohatra  11 Firy taona ianao? Roa-polo taona aho (Quel âge avez-vous? J'ai vingt ans) [1.3#681]
12 taonam-betsovetso mamy [2.817]
13 Ity fa tamy ny taom-pahavaratra [2.445#56]
14 Toy izany koa ny nanisana ny taonan'ny olona iray [2.117#123]
15 Hifarana soa aman-tsara ny taon-tsekoly [2.356#73]
16 Asesy araka ny fanombanana ny taonany izany [2.606#85]
17 Tamin' ny faha-100 taonan-dRasalama tao Antananarivo izahay no nihaona matetika [2.356#86]
Haiendriteny 
18 Tsotra :
Voambolana  19 Fotoana
Kamban-teny rehetra  20Fikambanana 49 amin' io teny io
Ohabolana  21 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  22Randzavola: taona ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)23 taona
Sokajin-teny  24 anarana
Fanazavàna teny malagasy  25Tatitra entana na zavatra hafa ho amin' ny toerana hafa.
26Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  27action de porter d'un lieu à un autre.
28action de porter à, de pousser, d'encourager à, de séduire, de tenter. [1.3#681]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :

Fivaditsoratra  39 antao, 40 atano, 41 atona, 42 tanoa, 43 taona

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02