|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 tampina
Sokajin-teny  2 anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3Voasarona, mikombona, voakombona: Ela ny ela ka tampina ilay vava fery.
4Voatsentsina ka manjary feno ny loaka na ny lavaka: Tampina haingana ilay loaka tamin' ny lakana ka tsy niditra firy ny rano.
5Misy zavatra misakana, ka tsy afa-mandeha na mivoaka ny rano na ny rivotra, fempina: Tampina ny lakandrano.
6Zavatra entina manentsina ny hirika, ny loaka: Niala ilay tampina natao tamin' ny varavarankely tsisy fitaratra ~ Asio tampina ity akanjo ity fa loaka. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7plugged, corked. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8bouché. [1.3#662, 1.8, 1.13]
9obstrué. [1.3#662, 1.8]
10fermé.
11ce qui bouche, obstrue, un morceau d'étoffe servant à boucher le trou d'un habit, action de boucher: Asio tampina ity pataloha ity, fa loaka (Mettez un morceau d'étoffe à ce pantalon pour boucher ce trou). [1.3#662]
12fermé, cicatrisé en parlant d'une plaie.
13(de tampina).
14Nom d'une plante qu'on applique sur les blessures pour en faciliter la cicatrisation.
15Voir aussi tampinangatra.. [Sakalava, Tsimihety] [1.196]
Ohatra  16 Rahefa tampina ny masoko, dia nandeha indray ny fiarakodia. [2.471#57]
17 Izany fitafiana rehetra izany, na ny ambony na ny ambany, dia samy nisy tampina avokoa. [2.4#67]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  27 Fahasalamana
Mpanahaka  28 tsentsina
Kamban-teny rehetra  29Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)30 tampina
Sokajin-teny  31 anarana
Fanazavàna teny frantsay  [1.196]
Voambolana  32 Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody

Fivaditsoratra  33 mpitana, 34 tampina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02