|
|
|
|

Teny iditra1 siravato
Singan-teny  2sira, 3vato
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Vongan-javatra fotsifotsy mety levona ao anaty rano, izay manana tsiro manokana masimasina ka atao amin' ny hanina andrahoina, indrindra ny laoka, mba hanatsara ny tsirony: Tandremo sao be siravato ny laoka.
6Fanasina.
7Ny haingon-teny mandravaka ny teny amin' ny kabary, na resaka ifanaovana: Be siravato loatra ny lahatenin' ilay Rangahy. [1.1]
Tovy hevitra  8sira, siramanta

Fivaditsoratra  9 sarivato, 10 siravato, 11 voaratsy

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12