|
|
|
|

Teny iditra1 sao
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Atao mba hampitohy fehezan-kevitra roa ka ny faharoa:.
4a) milaza zavatra atahorana na ahina: Matahotra aho sao maninomaninona i zoky any lavitra any ~ Manahy izy sao nisy mpangalatra tafiditra tao antranony.
5b) na milaza zavatra kendrena tsy ho tanteraka, mitovy hevitra amin' ny "mba tsy": Niova akanjo izy sao fantatry ny ao an-tanana.
6Azo ampiasaina tsy hampitohy fehezan-kevitra roa miharihary koa anefa ny "sao", fa manomboka fehezanteny ka mety ho ilay (b) etsy ambony ihany izy amin' izay fa mifamadi-toerana fotsiny: Sao tratran' ny fahavalo eto isika, fa andeha handositra, na koa enti-milaza fampitandremana: Sao heverinao ho tsy mahalala ny toetranao aho, na faminavinana; Sao mbola mba mahita ihany ny masonao fa tsaboy tsara. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7lest perchance, for fear that; also used as follows: sào misy vàry aty aminao?: do you happen, to have any rice ?. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8de peur que, de crainte que; si par hasard. [1.8]
Mpanahaka  9 fandrao, 10 fandroa, 11 mba, 12 ndrao, 13 ndrao, 14 ngoadia, 15 sangoa, 16 sangoa

Fivaditsoratra  17 aso, 18 osa, Osa, 19 sao, 20 soa

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02