|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1 mba
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3Teny mpampitohy fehezankevitra ka milaza antony hanaovan-javatra: Tonga izahay mba hijery sy hamantatra (arahin' ny "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity). [1.1#650]
Fanazavàna teny anglisy  4in order that. [1.2#436, 1.7]
5too, as well as; that. [1.2#436]
6in order to (followed by the future tense). [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7Particule exprimant le respect, la surprise, l’optatif; afin que. [1.3#439]
8afin que, pour que: Mitenena mafy mba ho henon'ny olona rehetra ny feonao (Parlez fort pour que tout le monde vous entende). [1.12]
9Pour: Tsy maintsy mihinana mba ho velona (Il faut manger pour vivre). [1.66.fr#740]
10afin de, afin que (suivi du futur). [1.8]
Mpanahaka  11 ndrao, 12 sangoa, 13 sao
Kamban-teny rehetra  14Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)15 mba
Sokajin-teny  16 filaza mandidin' ny anarana omba [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  17Kianteny enti-manisika hevitra..
18Fanajana, fiangaviana raha toa ka mampiasa matoanteny amin' ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy: Mba omeo kely amin' iny aho.
19/ Mba mianara fa aza varian-daolao
.
20Fanesoana: Izany hono ka mba hendry.
21Filazana sahala amin' ny "koa", izay ampiasaina miaraka aminy rahateo: Mba handeha koa aho raha mandeha ianao. [1.1#650]
Fanazavàna teny anglisy  22a softening particle, meaning please. [1.2#436]
23used to make a request or statement more respectful; mba omeo taratasy kely aho (please, give me some paper). [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24impératif de omba : Mba hendry hianao (Soyez sage vous aussi [comme les autres]) ~ Mba tonga hianareo (Venez, arrivez vous aussi). [1.3#439]
25qui adoucit une commande; mba omeo taratasy kely aho (veuillez me donner du papier). [1.8]

Teny iditra (3/3)26 mba
Sokajin-teny  27 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  28Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sy toy izao: Mbà hendry anaka.
29Mbà olom-banona
(marihina fa tsy fampiasa miaraka amin' ny matoanteny amin' ny fomba mandidy itỳ mbà itỳ: Mbà mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandidy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy: Mba mianara fa aza varian-daolao). [1.1#650]

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08