|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 ririnina
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina.
4(Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5winter, the cold and dry season. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6l'hiver, la saison froide et sèche. [1.8]
Ohatra  7 natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
8 Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Haiendriteny 
9 Tsotra :
10 Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Voambolana  13 Fotoana 14 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Tovy hevitra  15main-tany
Mpanahaka  16 fahavaratra, 17 fararano, 18 lohataona
Kamban-teny rehetra  19Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  20 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)21 Ririnina
Singan-teny  22ririnina
Sokajin-teny  23 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  24 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  25Andrianjatovo Haëckel
Lahatsoratra  26 Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
27 No be sorisory sy maloka lava?
28 Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
29 Ny fara-masoandro natao hanazava
30
31 Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
32 Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
33 Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
34 Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
35
36 Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
37 Fitopa malefaka sy eri-mitaika
38 No reko mahalana, tony dia tony
39 Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
40
41 Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
42 Ny tendron-kavoana no mangadihady?
43 Mahaiza mandinika rehefa mitazana
44 Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
45
46 Izany ka izany no tsy andrenesana
47 Ny vazon'ny vorona zatra mihira
48 Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
49 Ka lasa mihataka arý an-dakira
50
51 Izany ka izany no tsy ahitana
52 Aina marisika, vonon-kiasa
53 Ny andro kanefa dia mbola hafana
54 Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Fivaditsoratra  55 Ririnina, ririnina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03