|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Randriamananjara Edmond |
| Singan-teny | 2Randriamananjara |
| Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Randja Zanamihoatra: Edmond Randriamananjara no tena anarany.
5Teraka tao Vatovory (Ambositra) tamin' ny 29 mey 1925. 6Nianatra tao amin' ny Ecole Benjamin Escande. 7Nanomboka nanoratra tamin' ny 1944. 8Ireto avy ny gazety namoahany ny tononkalony: Fandrosoam-baovao, Asa vadi-drano, Mandroso, Malagasy Vaovao ... 9ary efa namoaka bokim-poezy kely maro mpitia koa izy : Ary nihira aho, Ako sy feo, Ny lehilahy, Ny vehivavy. 10Nahazo ny loka voalohany tamin' ny fifaninanana poezy nampanaovin' ny Conseil Municipal-n ' Antananarivo tamin' ny 1958 noho ilay asa sorany mitondra ny lohateny hoe: Tandindona sy Ra.. [2.342] |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|