|
|
|
|

Teny iditra1 mora
Sokajin-teny  2 mpamaritra na tambinteny
Fanazavàna teny malagasy  3Tsy sarotra atao: Mora adika io lahateny io ~ Mora ny maniny fa sarotra ny manao.
4Kely vidy, tsy lafo: Mora ny vary rehefa fararano.
5Malemy fanahy, malemy paika, rainazy: Tsy hahita olona mora be ohatra azy ianao.
6Miadana: Mandehana mora fa ratsy ny lalana (matetika ny verindroa moramora no ampiasaina amin' io hevitra io).
7Amin-kalemem-panahy, tsy mitratreva: Alaina mora no fakana ny ankizy, indrindra rehefa ilay sakasakan-jaza iny izy.
8Malaky: Mora tezitra, mora misafoaka ny mpampianatra anay. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9easy; slow; cheap.
10easily. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11facile; bon marché. [1.8, 1.13]
12lent.
13facilement. [1.8]
Ohatra  14 Ny fiainana tsy vita mora rahateo: [2.470]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Tambinteny :
Kamban-teny rehetra  23Fikambanana 33 amin' io teny io

Fivaditsoratra  24 maro, 25 mora, 26 ramo, 27 Roma

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02