|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mivelatra
Fototeny  2velatra
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Mitsotra mivalampatra: Nivelatra teo an-tokotany ny tsihy.
5Misokatra: Aoka samy hivelatra eo anoloanareo ny bokinareo.
6Miseho milahatra sy milamina tsara mba hanaitra ny maso: Efa nivelatra ny entan-dRabe no tonga aho.
7Vaky: Mivelatra ny vonindraozy ao an-tokotany.
8Mihaingo, miraratra izaitsizy: Mivelatra erý ry zalahy izany fa fety ny andro!. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9to unroll or unfold; to spread out, to open out. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10être déployé, s'épanouir. [1.8]
Ohatra  11 Ny tarehiny notarafin'ny vonindraozy nivelatra sy ny ravina maitso nanodidina azy, ka tomarataratra. [2.324]
Haiendriteny 
12 Ny ankehitriny :
13 Ny lasa :
14 Ny hoavy :
15 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  16Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  17 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)18 mivelatra
Fototeny  19velatra
Sokajin-teny  20 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  21malalaka, midadasika. [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  22large. [1.13]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02