|
|
|
|

Teny iditra1 miantso
Fototeny  2antso
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Manisy anarana: Ikoto no niantsoana azy fony kely.
5Mamory olona mba hanatrika na ho tonga amin' ny..., manaika, manainga: Niantso ny fokonolona ny lehiben' ny tanàna fa nisy zava-dehibe nodinihina.
6Manonona tsirairay: Raha efa izany, dia niantso ny anaran' ny miaramila tsirairay ny kapiteny.
7Maka, manao izay hahatongavana: Moa ve efa nisy niantso ny dokotera?.
8Milaza, mamoaka ampahibemaso: Hiantso kabary, hono ny filohan' ny Nosy amin' ny volana mey.
9Mangataka, mitalaho: Miantso ny anaran' ny Tompo.
10Manendry, mifidy: Niantso an-dRanona ho lehiben' ny raharaham-bahiny ny filohan' ny governemanta.
11Manome na mametraka adidy, mandidy, mandodona: Miantso anao ny tanindrazana ka mahereza fo!. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12to call, to summon, to invoke.
13Manantso is used in the provinces for this.. [1.2]
14to call; to summon; to call out. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15appeler; convoquer; proclamer; crier fort. [1.8]
16appeler, convoquer, publier, proclamer, invoquer: Miantso olona (Appeler quelqu'un) ~ Miantso ny vahoaka (Convoquer le peuple) ~ Miantso kabary (Proclamer une assemblée générale) ~ Maintso an' Andriamanitra (Invoquer Dieu). [1.3]
Haiendriteny 
17 Ny ankehitriny :
18 Ny lasa :
19 Ny hoavy :
20 Filaza mandidy :
Tovy hevitra  21manaika, manatsimaso, manesiesy, manofa, mihatsy, mikahankahana, mikohokoho, mikohona, mikoka
Kamban-teny rehetra  22miantso tody
Ohabolana  23 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  24 miantso, 25 mitsano, 26 santimo, 27 somanty

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02