|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 manavotra
Fototeny  2avotra
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4Manao izay hahavonjy olona tao anatin' ny loza na notandindomin-doza; mamonjy: Ianao, dokotera, no nanavotra ny zanakay tamin' ny fahafatesana.
5Manafaka amin' ny fahaverezana, fanandevozana: Vitsy ny mpanompo afaka nanavo-tena taloha.
6Mividy indray ny efa an' ny tena taloha: Mikasa ny hanavotra ilay tranoko lasan-dRajao tamin' ny herintaona aho, saingy tsy ampy kely ny volako. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7to redeem, to ransom. [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8racheter, rançonner; sauver. [1.8]
Ohatra  9 manavotra ny mpikambana koa izahay. [2.445#]
10 manavotra izy amin' ny toerana tsy misy lalana. [2.117#]
Haiendriteny 
11 Ny ankehitriny :
12 Ny lasa :
13 Ny hoavy :
14 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  16 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)17 manavotra
Fototeny  18avotra
Sokajin-teny  19 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  20manongotra : Mañavotra kajaha i Misy (manongotra mangahazo i Misy). [Tambahoaka, Tanala] [1.78]
21mamindra, manetsa. [Bezanozano] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  22To root up, to pluck up, to eradicate. [1.2]
Haiendriteny 
23 Ny ankehitriny :
24 Ny lasa :
25 Ny hoavy :
Tovy hevitra  26miavotra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02