|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 manaha
Fototeny  2haha
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4mamaha, manala fatotra, miempo. [Tanosy] [1.78]
5Mamaha: Vao tonga rainy dia nanaha ny entany ireo zanany.
6Manala amin' ny fatorana: Ise no hanaha ny ondry rahampitso maraina.
7Manasaratsaraka: Manaha kofehy.
8Manafaka, mamotsotra: Mbola tsy nanaha mpigadra ny Filohan' ny Nosy.
9Mandrava: Manaha famantaranandro. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10to untie, to unloose.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11délier, dénouer, détacher, dévisser, démonter, mettre en liberté. [1.3]
Ohatra  12 koa izay mamoifo no manaha [2.857#]
Haiendriteny 
13 Ny ankehitriny :
14 Ny lasa :
15 Ny hoavy :
16 Filaza mandidy :

Teny iditra (2/4)17 manaha
Fototeny  18taha
Sokajin-teny  19 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  20Manome zavatra hatao taha na onitra. [1.1]
Haiendriteny 
21 Ny ankehitriny :
22 Ny lasa :
23 Ny hoavy :
24 Filaza mandidy :

Teny iditra (3/4)25 manahà
Fototeny  26haha
Sokajin-teny  27 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manaha [Fitanisana]

Teny iditra (4/4)28 manahà
Fototeny  29taha
Sokajin-teny  30 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manaha [Fitanisana]

Fivaditsoratra  31 hamana, Hamana, hamaña, 32 mahana, 33 manahà, manaha, 34 Nahama

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05