| Fanazavàna teny malagasy |
4Maharesy, mandresy: Tsy hahomby ny zokinao akory inao, fa aza minaikanaika aminy.
5Ambinina, mahavoa tsara, mahazo vokatra tsara, misy vokany tsara: Nahomby ny zokiko tamin' ny fanadinana ~ Tsy nahomby ny tetik' ireo nandroba tany Toamasina.
6Mandaitra, afaka hanasitrana: Nahomby tokoa ny fanafody nomenao ahy fa vao nisotro eran' ny sotro aho dia nisinda ny aretin' andohako.
7(raha misy matoanteny eo aoriany): afaka hanao (asa iray) tsara: Tsy mahomby miasa tany izy.
8Tsara, vanona: Misaotra fa nahomby tokoa ny kilalaonareo, rankizy..
[1.1]
|