|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 lalana |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Soritra namboarina hatao fandehanana mampitohy toerana na tanàna roa: Tsara ny lalana mankany Mojanga / Manaraha mandrakariva ny lalan' ny fahamarinana.
4Zavatra tsy maintsy atao mba hahatongavana amin' izay kendrena: Ny fikezahana no lalana mitondra amin' ny fahombiazana. 5Fahazoana manao zavatra iray, fahazoam-pahefana hanao zavatra iray: Iza no nanome lalana anao hiditra ato amin' ny sahako? (diso ny mampiasa ny teny hoe "alalana" amin' ny fehezan-teny toy io): Mangata-dalana handeha izahay, tompoko.. 6Teny misy hevitra ifandraisany: Lalan-kely, lalan-tsarety, lalam-be, arabe, lalam-boahangy, kizo, soritra, diantsarety, sakeli-dalana, kihondalana, fihaonan-dalana, sampan-dalana, hodimirana, finlahana, fivilian-dalana, lalamasaka, kizo tokana, lalantampina. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7a road, a way, a path [Mal.
8jalan; Jav. 9Dalan] see alalana, andalana, for many derivatives. [1.2] 10a road. [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11route, chemin.
[1.8] 12voie, rue. [1.13] [lalaña] 13chemin. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
14 lalany ihany ny lohasaha firaofany.
[2.470]
15 Sarotra amin'izy efa-mianaka mihitsy ny manaraka ny lalana|dalana, fa efa feno ny mpandositra, ka dia ny manavatsava manao hitsin-lalana|dalana no nataony. [2.324] 16 Nihantsy ady taminy aho, hanova azy ho lalan' ny Fahafahana, saingy toa ho resiny. [2.471] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 21Fikambanana 97 amin' io teny io |
| Ohabolana | 22 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 23Randzavola: lalana ao amin' ny Baiboly (=> varotra sy ranto) |
| Teny iditra (2/3) | 24 lalàna |
| Sokajin-teny | 25 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
26Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin' ny olon-drehetra, avoakan' ny mpitondra fanjakanà, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatra ny fahagolan-tany, na ataon' ny solombavambahoaka: Fantatrao ve ny lalàna momba ny fifidianana? / Makà hevitra amin' ny olona mpahay lalàna ianao.
27Fepetra arahina amin' ny sokajin-javatra na fahaizana manokana: Araka ny lalànan' ny fitsipipitenenana malagasy dia tsy asiana / amin' ny fanakambanon-teny, raha ka na tra no iafaran' ny teny voalohany: Kara-pifidianana. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
28[French la loi] a law.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
29[français la loi] loi.
[1.8] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 32Fikambanana 30 amin' io teny io |
| Ohabolana | 33 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 34Randzavola: lalàna ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (3/3) | 35 Lalana |
| Sokajin-teny | 36 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana] |
| Voambolana | 37 Haisoratra: boky |
| Mpanoratra |
38Rakotoson Michèle |
| Fivaditsoratra | 39 lalana, Lalana, lalàna |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03 |
|