|
|
|
|

Teny iditra1 fandavana
Fototeny  2la
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4Filazana fa tsy marina: Tsy mampaninona ahy ny fandavanao ny hevitro fa ny hevitra moa samy manana ny azy.
5Tsy fanekena: Avelanao hitsangantsangana ve izahay? -- Tsy misy fandavana e.
6Fitsipahana zavatra iray tsara lazaina fa diso: Ny fandavan' ny olona ny fisian' Andriamanitra no mampanaram-po azy.
7Filazana ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Angatahina amin' ny olona atao batemy na batisa ny fandavany an' i Satana. [1.1]
8Ny TSI-FANDAVANA anie ka tsy fanekena tsy akory e!. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  9refusal, disapproval, denial. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10le refus, le renoncement, le reniement. [1.3]
11refus, renoncement, reniement. [1.5]
Ohatra  12 fandavana ankitsirano no nantenaiko hambarany, kinanjo raikitra tsy ahoan-tsy ahoana teo ny varotra an' arivony. [2.5]
Voambolana  13 Ontam-po
Kamban-teny rehetra  14fandavantena

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08