| Fanazavàna teny malagasy |
5karazam-bibikely mitovitovy habe amin' ny valalavao saingy lava vatana kokoa, amin' ny antokon' ny Orthoptères.
6Henjana ny elany ambony ary manify makarakara toy ny elatra ambany amin' ny azy.
7Lava be ny tendany.
8Ny tanany roa anoloana dia sady lava no lehibe sy mantajaka, io no fandraisany haza, ets., dia biby madinika samy hafa.
9Misy karazany maro izy: ny sasany borobory ny lohany ary ny masony roa dia mivoaka avy eo an-daniny avy, karazany vaventy ireo.
10Ny sasany kosa indray dia lava sady maranitra ny lohany, toy ny valala Tsindakana..
[1.10#F.155]
11Biby maitsomaitso sahala amin' ny valala, ary misy toy ny famaky eo amin' ny vavany, izay nahatonga ny anarany.
[1.1]
|