|
|
|
|

Teny iditra1 fahirano
Singan-teny  2fahy, 3rano
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5(fahy sy rano) fanao ny fahavalo ny miambina manodidina ny tanàna na vohitra tiany horesena, ka misakana ny mponina ao mba tsy hahazo mivoaka hitady rano sy hanina, ary tsy ho azon' ny avy aty ivelany hanaterana koa.
6Amin' izay, rehefa voan' ny mosary ny ao an-tanàna dia mikoy ho azy, resy tsy miady.
7Andrianampoinimerina sy Ilaidama dia samy nampiasa ny fahirano tamin' ny ady sasany nataony.. [1.10#F.133]
8Fanodidinan' ny fahavalo ny tanàna mba tsy hahafahan' ny mponina ao mivoaka hitady sakafo na rano: Raha tsy natao fahirano ny tanànan' Ambohijoky tsy azo. [1.1#197]
Fanazavàna teny anglisy  9A siege.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  10(fahy, rano) Ceux que l’on prive d'eau ; siège d’une place. [1.3#138]
11Une place assiégée privée d' eau.
12Les assiégeants coupaient l' eau aux assiégés, et ceux-ci, n'ayant ordinairement pas d' eau sur les hauteurs où ils habitaient, ne pouvaient pas vivre. [2.415]
Ohatra  13 Dia natao fahirano Ambohijoky. [2.48]
14 fahirano elaela ihany, ka afany. [1.38]
15 tompoko, ka ataony fahirano ny vahoaka; [2.69]
16 Niova tetika izy ka nataony fahirano ny tanàna. [2.508]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Voambolana  20 Miaramila
Lahatsoratra  21Randzavola: fahirano ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  22 fahirano, 23 fañoriha, 24 firohana, 25 foharina, 26 hiforana, 27 rafohina

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11