|
|
|
|

Teny iditra1 evanjelistra
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3anarana ampiasain' ny Testamenta Vaovao Asa 21:8, Efes 4:11, 2, Tim.
44:5, ilazany ny olona izay nandehandeha nitory ny Filazantsara ka namboa-dalana hiorenan' ny fiangonana kristiana ao amin' izay toerana misy olona maromaro mety nandray azy.
5Tsy nitoetra ho mpitandrina fiangonana iray izy, fa nifindrafindra nitaona ny olona hino an' Jesosy Kristy ho Mpamonjy.
6Toy izany Filipo, anankiray amin' ny diakona fito lahy nofidina voalohany, dia ilay Filipo avy tany Kaisaria.
7Toy izany koa ilay Timoty avy tany Efesosy izay taizan' i Paoly ara-panahy..
8Taorian' ny andron' ny Apostoly, ny hoe evanjelistra dia nilazana koa ny olona izay namaky ny Soratra Masina sy nanazava azy tao am-piangonan' ny kristiana..
9Natao hoe evanjelistra koa izy efa-dahy nanoratra ny Filazantsara efatra: Matio, Marka, Lioka, Jaona..
10Ankehitriny dia izany asany mandehandeha mitory ny Filazantsara izany ihany koa no anaovana ny olona hoa evanjelistra.
11Anefa raha mitandrina fiangonana maromaro koa izay ivezivezeny izy dia atao hoe evanjelistra.
12Toy izany ny "Evanjelistra Iraky ny Isanenimbolan' Imerina", izay alefa sy iantohan' ny fitambaran' ny fiangonana protestantra rehetra eto Imerina, miray amin' ny Misiona telo tonta dia ny LMS, ny FFMA ary ny MPF.
13Efa manana ny faritany manokana iasany ny evanjelistry ny Isanenimbolana any anindrana.. [1.10#E64]
Fanazavàna teny frantsay  14espèce d'intendant, d'inspecteur de temples chez les Protestants. [1.3#133]
Ohatra  15 Eny, marina tsy misy isalasalana izany, hoy ilay evanjelistra. [2.357#]
16 Ny ray aman-dreniny mpivavaka sady evanjelistra nanampy izany; [2.324#]
17 Rarivo evanjelistra tao no voatendry no Goverinora sy Komandy. [2.508#]
18 Ravokatra, evanjelistra, any Vato-mandry, no nitoriteny [2.649#]
Voambolana  19 Fivavahana
Mpanahaka  20 evanjelisitra, 21 evanjelista

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12