|
|
|
|

Teny iditra1 Eny, alina
Singan-teny  2eny, 3alina
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6Zanamihoatra Randja
Lahatsiratra manontolo  7 - Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva
8 Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro
9 Mitsontsorika mankany :

10 Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva
11 Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro :
12 Ny hariva mitomany !

13 Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany,
14 He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra
15 Ito haizina eny an-dalany ;

16 Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany
17 Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra
18 Ny fiavin’ny malalany.

19 (Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... )
20 Eto anivo izao ny alina !

21 Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna...
22 Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany
23 Manalona etsy ambony ;

24 Lasalasana ambiroa irony morona fitana
25 Nony very poka teo izany feon’ny koratabany.
26 Eny, alina tokoany !

27 Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina !
28 Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina
29 Misafo manodidina

30 Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina
31 Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina
32 Ny vetso tsy hanidina ...

33 Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara !
34 Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo
35 Fiaretan-tory koa...

36 Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ;
37 Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo...
38 Eny, alina tokoa !

39 Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any !
40 O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina !
41 ‘Ndeha hiaraka hisaina

42 Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY”
43 Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina”
44 Mandra-piavin’ny Maraina.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13