Teny iditra Antongona
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (jeôgrafia)
Famaritana malagasy   Havoana eo andrefana' Antananarivo (somary atsimo kely foana) sahabo ho 26 km, tora-dady, fa 32 km manaraka ny lalana; 3 na 4 km tora-dady avarabaratra kelin' Merintsiatosika (Fenoarivo); 1508 m ny hahavony...

Tamin'ny andron' ny ady an-trano fahizany dia ny tsangan' afo teo an-tampon-tendrombohitra no natao famantarana ny filam-bonjy tamin' ny manodidina nony nisy fahavalo nitady hananika. Nanao tsangan' afo toy izany ny teo Antongona. Koa nony matetika loatra taty aoriana dia tsy nampiraika ny olona intsony. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: "Efa ho lava ny afon' Antongona": enti-milaza ny antso vonjy, na hataka, miverimberina matetika, ka tsy mahataitra, na mampangoraka intsony...

Misy lovantsofina maromaro tonga angano momba an' Antongona... [Ravelojaona 1937]

Voambolana  
Jeografia  
Latitude: 18°57'S. Longitude: 47°18'E. Altitude: 1512m.
Teny nalaina  
Ohabolana  
Sary  

Nohavaozina taminy 2011/10/20
Takela isoratana ny soso-kevitrao