|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 adiny
Fototeny  2ady
Sokajin-teny  3 anarana ady sy mpisolo
Fanazavàna teny malagasy  4Ny iray ampahefatra amby roapolon' ny andro iray manontolo; fotoana vitan' ny sahazabem-pamantaranandro mihodina indray mandeha tanteraka: Efa adiny roa izao no niandrasako anao teto.
5Mba hilazana ny ampahan' ny ora dia ny teny adiny ihany no ampiasaina: Antsasak' adiny, ampahefatr' adiny. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6ady. [Tankarana] [1.19]
7heure. [1.5]
Ohatra  8 adiny firy? (Combien d'heures?) [1.5]
9 adiny roa (Deux heures) [1.5]
10 adiny roa latsaka kely (Presque deux heures) [1.5]
11 adiny roa mahery kely (deux heures et quelque) [1.5]
12 adiny roa marina (deux heures pile) [1.5]
13 adiny roa katroka (deux heures pile) [1.5]
14 adiny roa ngarangidina (deux heures d'affilée) [1.5]
15 adiny roa misesy (deux heures d'affilée) [1.5]
16 adiny roa tsy miato (deux heures d'affilée) [1.5]
17 Antsasak' adiny (Une demi-heure) [1.5]
18 Fahefatr' adiny (Quinze minutes) [1.5]
Voambolana  19 Fotoana
Tovy hevitra  20adim-pamantaranandro, ora

Teny iditra (2/2)21 adiny
Sokajin-teny  22 anarana ady sy mpisolo
Fanazavàna teny malagasy  23Ny mafy, ny sarotra, ny manahirana amin' ny raharaha iray: Ny manoro toa mora, fa ny manao no adiny.
24Mora ny miteny fa ny manao no adiny
. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25Le point capital, la difficulté d'une chose, son noeud. [1.3]

Fivaditsoratra  26 adiny, 27 diany, 28 idina, 29 inday, 30 India

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12