|
|
|
|

Teny iditra1 zavaboary
Singan-teny  2zavatra, 3voary
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5ny zavatra rehetra noarina, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy: Ny anjely sy ny olombelona no ambony indrindra amin' ny zavaboary rehetra.
6ny fitambaran' ny zavatra hitan' ny maso manonidina ny tena, toy ny habakabaka, ny rano, ny hazo: Lasam-binany izy nandinika ny zavaboary tamin' io maraina io. [1.1]
7fitambaran' ny manana aina, manan-kery, mihetsika na tsia ary mitoetra ato amin' izao tontolo izao sy eny amin' ny habakahaka. [1.62#1140]
Fanazavàna teny frantsay  8nature. [1.13.fr#233]
[zava-boary] 9nature. [1.5#346]
Ohatra  10 Satria tazako mantsy fa mbola misy ireo zava-boary maro be ireo [2.445#72]
11 Izy no tompon'ny zavaboary ka manamboatra azy araka izay tiany. [2.606]
12 voalohany, betsaka ny mety hahafaly, hoy izy, eo amin'ny zava-boary [2.314#67]
13 Akory izany fahaizany milazalaza ny toetran'ny zavaboary amin' izany fotoana izany! [2.314]
Tsipelina hafa  14zava-boaary, zava-boary, zavaboaary

Fivaditsoratra  15 voabarazy, 16 zavaboary

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02