|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 tsangambato
Singan-teny  2tsangana, 3vato
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony. [1.1]
6vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony. [1.62]
Fanazavàna teny anglisy  7a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event. [1.2]
8a monument. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9pierre ou monument commémoratif. [1.8]
Ohatra  10 Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon)
11 lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy. [2.499]
12 Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy. [2.508]
13 Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara. [2.472]
Tovy hevitra  14vatolahy
Teny nalaina  15 Soratra misy io teny io
Sary 

Teny iditra (2/4)16 tsangambato
Singan-teny  17tsangana, 18vato
Sokajin-teny  19 anarana
Fanazavàna teny malagasy  20Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina. [1.1]
21asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina. [1.62]
Ohatra  22 Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka [1.1|1.62]

Teny iditra (3/4)23 Tsangambato
Sokajin-teny  24 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  25Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture.
26Cet ouvrage est encore inédit.. [1.59]
Voambolana  27 Haisoratra: boky
Mpanoratra  28Randriamaromanana Albert

Teny iditra (4/4)29 Tsangambato
Singan-teny  30vato
Sokajin-teny  31 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Voambolana  32 Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  33 Tsangambato, tsangambato

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02